E o am-piandrasana ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Novambra 2022
2 PETERA 3.14-18
2 PETERA 3.14-18
14 Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana. 15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, 16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. 17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo; 18 fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.E o am-piandrasana ny Tompo
1-Meteza handeha tsy misy tsiny
Raha manana ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ianao dia meteza handeha tsy misy tsiny mba tsy hampihemotra ny sasany . Ny tsiny dia tsy hahafahana miditra ny fanjakan’Andriamanitra araka izay voalaza ao amin’ny Salamo 15.2 « Jehovah ô! iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao …izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy« . Tsy fonenan’olona manan-tsiny ny fanjakan’Andriamanitra .Tsy misy olona tanteraka , saingy ny resahana eto dia ilay toetra ratsy na ilay antsoin’ny besinimaro hoe: fahotana mahafaty na mivandravandra.Sarotra tokoa ny hanamari-tena satria ny fahotana amin’Andriamanitra dia mitovy avokoa , fa ny olona no manasokajy azy.Ka na kely io na lehibe dia tokony fadiana avokoa .Koa aoka samy hitandrina .
2-Aza manararaotra ny indrafon’Andriamanitra
Ny faharipon’Andriamanitra no famonjena antsika , ary marina tokoa zany , satria raha tsy misy ny indrafony dia ho sahirana tokoa ny olona .I Petera eto dia zatra mahita ny zava-misy tao amin’ny Testamenta Taloha , ka nampitaha izany amin’ny indrafon’Andriamanitra dia i Jesoa Kristy izay be indrafo tsy misy aoka izany .Hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Salamo 117.2 « Fa lehibe ny famindrampony amintsika » .Anisan’ izay mampiroborobo ny faharatsiana ihany koa anefa ny fahalalana fa mpamindra fo Andriamanitra , hany ka manararaotra aoka izany ny mpanao ratsy ,ny ratsy rahateo tsy mivaly eo no eo . Isika àry, aoka tsy hanao toy izany .Ny indrafon’Andriamanitra dia mitondra famonjena ho antsika fa tsy hararaotina hanaovan-dratsy.
Fanontaniana:
Raha resahina ny tsiny ,ahoana ny fahitanao ny tsininao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM