Derao ilay Tompon’ny fanjakana
Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Desambra 2022
SALAMO 22.22-31
SALAMO 22.22-31
22 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao. 23 Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra. 24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy. 25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah. 26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo. 27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa. 28 Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy. 29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy] 30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy. 31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.Derao ilay Tompon’ny fanjakana
Midera an’Andriamanitra noho ny famonjena noraisiny ny mpanao Salamo , ary nitaona ny hafa ihany koa ho amin’izany fiderana izany ,satria an’ny Tompo ny fanjakana .
1-Ambarao ny Anarany
Mifamatotra amin’ny fiderana an’Andriamanitra ny fitoriana,ny fanambarana ny Anarany. Mijoro vavolombelona noho ny asan’Andriamanitra teo amin’ny fiainany ity mpanompony ity . Fiderana, fanambarana eo anatrehan’ny olona rehetra . Aharihary fa eo amin’ny fiainana manontolo , raha misy toe-javatra mitranga ka miantso sy mitaraina amin’Andriamanitra dia mihaino sy mamonjy Izy (and 24). Ho anao izay nahatsapa fa nandray fahasoavana tamin’Andriamanitra ,mahaiza manambara ny asany .
2-Manompo Azy
Miahy sy mikarakara ny fiainan’ny olona rehetra ilay Tompon’ny fanjakana. Na ny manankarena , na ny mahantra , ny sokajin’olona rehetra dia Izy no manome ny hanina hohanina (and26), afaka mitady sy miantso an’Andriamanitra ny olona rehetra .Miseho amin’izany fa tsy manavaka Andriamanitra .Izy no Tompon’ny fanjakana ka mandray an-tànana ny olona manatona Azy. Noho izany indrindra dia taomina ny olona rehetra mba hanompo Azy mandrakariva . Endriky ny fiderana Azy ny fankena hanompo Azy .
Fanontaniana:
Nahoana no misy sokajin’olona manana tsy mahay manokana fotoana ho fanomezam-bonnahitra ho an’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM