Azo antoka ny fiarovan’Andriamanitra ny mpanompony amin’ny ratsy miseho amin’izao tontolo izao

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Jona 2023

2 TIMOTY 4.9-18

2 TIMOTY 4.9-18
9 [Fanaovam-beloma sy hafatra] Mazotoa hankat? amiko faingana ianao; 10 fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia. 11 Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy. 12 Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy. 13 Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra. 14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany; 15 tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay. 16 Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany). 17 Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona. 18 Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

1-Azo antoka ny fiarovan’Andriamanitra ny mpanompony amin’ny ratsy miseho amin’izao tontolo izao .

and 17 « kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy… » .Tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanenjehana ny fivavahana kristiana no niainan’i Paoly eto .Any am-pigadrana izy no manoratra ,mitanisa ireo herisetra ara-batana ,ara-tsainaizay nataon’ny olona taminy . Anisan’izany ny nataon’i Alexandro mpanefy varahina izay sahy nijoro vavolombelona hanohitra an’i Paoly .Teo koa ny nahafoizan’ny olona azy satria tsy mba nisy nampahery azy fa ny Tompo kosa sady niaro azy no nampahery azy .Hoy ny teny ao amin’ny Jer 1.19  » Fa hiady aminao ireny nefa tsy hahaleo anao satria momba anao hamonjy anao aho , hoy i jehovah ». Mampahery ka tokiantsika izany teniny izany .

2-Azo antoka ny fiainana mandrakizay izay omeny ny mpanompony

and 18 « Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra« .Tsy ny famonjena eto amin’izao tontolo izao ihany no azo hisitrihan’ny mpanompin’Andriamanitra fa ny fiainana mandrakizay ihany koa .Ny devoly dia mihaza ny fanahin’olona mba ho vereziny any amin’ny fahaverezana , saingy ny Tompo no manavotra ny fanahin’izay mino Azy tamin’ny alalan’ny Rany izay nalatsany teo amin’ny hazo fijaliana .Olona afaka isika , azo antoka ny any an-danitra , voaaro ny eto an-tany . Noho izany dia eo amin’ny Tompo irery ihany no misy ny fahafahana ho antsika .

Fanontaniana:

Raha miaina izany toejavatra niainan’i Paoly izany ianao, ekenao ve fa fahafahana tokoa izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM