Azo antenaina ny famonjen’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Jolay 2020
SALAMO 77.16-20
SALAMO 77.16-20
16 Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina. 17 Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao. 18 Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio*; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia] 19 Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao. 20 Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.Azo antenaina ny famonjen’Andriamanitra
1-Andriamanitra mahery Izy (and 16-19)
Ao anatin’ireo andininy voalaza ireo dia tanisain’ny mpanao Salamo mihitsy ny fisehoan’ny herin’ Andriamanitra amin’ny fifehezany zava-boahariny : « …mihovitrovitra sy nihorohoro ny tany » , ary izany herin’Andriamanitra tsy manam-paharoa izany no naharihariny teo amin’ny fiainan’ny vahoakany , namonjeny sy nanafahany azy ireo tamin’ny fomba mahagaga .Efa nasehon’iJesoa koa fa manaiky Azy ny voahary manontolo raha tsy hilaza afa-tsy ny nampanginany sy nampitsaharany ny tafio-drivotra (Mar 4.39 ) . Koa matokia Azy !
2-Andriamanitra fitiavana Izy (and 20)
Hoy mpanao Salamo : « Ny tànan’i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry » . Ny sary an’ohatra ampiasaina eto dia mametraka an’ Andriamanitra ho toy ny mpiandry ondry ( Mosesy rahateo moa dia mpiandry ondry ) . Toetra ananan’ny mpiandry ondry ny fitiavana ny ondriny , ny fitondrany azy ho amin’izay mahasoa , ny fiarovany azy tsy ho rembin’ny amboadia, ny fitondrany azy amin’ny ahi-maitso, ny fanomezany azy rano mamelombelona , indrindra ny fitarihany azy avy eo aloha , ka mahatonga ny ondry tsy hatahotra . Nanoharan’i Jesoa ny tenany ihany koa ny hoe : « Mpiandry tsara » Noho izany dia azontsika itokiana tanteraka Izy satria be fitiavana.
Fanontaniana :
Amin’iza no hiantorahanao raha tojo zava-mahaketraka?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM