Azo ampandeferina manoloana ny filan’ny olona ve ny antson’ny Tompo ?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Septambra 2023
Lioka 9,57-62
Lioka 9,57-62
57 Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao. 58 Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo* manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[*volpa] 59 Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko. 60 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra. 61 Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. 62 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.Fanontaniana :
Azo ampandeferina manoloana ny filan’ny olona ve ny antson’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM