Aza miteny ratsy ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Aogositra 2021

MATIO 12.31-37

MATIO 12.31-37
31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy* samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy* ny Fanahy Masina.[*Gr.blasfemia,izahao 9. 3] 32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy. 33 Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo. 34 Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava. 35 Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy. 36 Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony. 37 Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.

Aza miteny ratsy ny Fanahy Masina

Nisy asa fanasitranana nataon’i Jesoa teo ambony (and22) ka nitolagaga indrindra ny vahoaka noho ny hery ombam-pahefan’i Jesoa tamin’izany . Nanaratsy izany kosa anefa ny Fariseo ka nilaza izany ho asan’iBelzeboba lohan’ny demonia. Eo anatrehan’izany i Jesoa no miteny hoe: misy fahotana ataon’ny olona nefa hahazoany famindrampo, fa misy kosa fahotana ataon’ny olona fa tsy ahazoany fanafana mihintsy .

Ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina tahaka ny ataon’ny Fariseo eto dia heverina fa fanahy iniana mihitsy, satria manasokajy ho ratsy ny asan’ny Fanahy Masina . Koa satria minia manao izany izy ireo dia tena manalavitra indrindra ny famelankeloka tokony ho azony ary izany no nitenenan »ny Tompo azy hoe : tsy hahazo famelankeloka mihitsy izay manao izany zavatra izany (Jao 3.19)

Ankilan’izay koa anefa , mety hitranga ny tsy finoana an’i Jesoa Kristy,ny fankahalana Azy, ny fanaovana tsinotsinona amin’ny maha-olona Azy, noho ny tsy fahatakarana ny maha-Andriamanitra Azy , nefa afaka mibebaka amin’izany ny olona ka miverina amin’Andriamanitra indray mba hohavaozina raha mino an’i Jesoa , Ilay nanao sorona ny ainy ho fanavotana ny olona . Izany no fahadisoan’ny Fariseo eto, sady nanaratsy ny asa tsaran’ny Fanahy Masina no tsy nihevitra velively ny hibebaka ka nahatonga an’i Jesoa hiteny hoe : ho azon’ny olona ny famelan-keloka amin’ny fitenenan-dratsy samihafa , amin’ny fanoherana ny zanak’olona fa ny fanaovana ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahitam-panafana intsony .

Fanontaniana :

Inona no hanjo ny olona raha minia miteny ratsy ny Fanahy Masina izy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM