Aza menatra ny ho vavolombelon’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny  Tompo 

1 Petera 4.1-6
1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka* tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina] 2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; 5 nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty 6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny  Tompo 

1 Petera 4.1-6

Mpino mahajoro  ho vavolombelon’ny Tompo 

1-Mandray  an’i Kristy ho fianarana 

Ambaran’i  Petera  fa ny kristiana  dia tokony   hanao  an’i Jesoa Kristy  ho fianarana  eo  amin’ny fiainana  andavanandro. Ny fijaliana  sy ny fahorian’i Jesoa Kristy  no fianarana tokony harahina . Nampijaliana , nampahoriana  ny Tompo  , voahombo  teo amin’ny hazo  fijaliana Izy  . Naharihariny anefa  fa nandresy  Izy  . Koa  izay manaiky hanaraka Azy , hianatra  ny fiainany na dia  mandalo  fijaliana sy fahoriana  aza dia tsy  ho resy  fa ho mpandresy hatrany . Mianara  an’i Kristy  dia ho mpandresy mandrakariva ianao .

2-Mahatsiaro   fa mbola hotsaraina 

Mitia  sy manompo  an’i Jesoa Kristy  noho  ny famonjena  vitany ny mpino . Miomana  ihany  koa anefa  hiatrika ny fitsarana . Izany indrindra  no ampirisihana  antsika  mba handeha  mendrika  ny maha- kristiana  , miaina  amin’ny sitrapon’ Andriamanitra . Noho izany  , tsy izay mahafalifaly  ny fontsika no atao  fa izay mahafaly  ilay Andriamanitra mbola hitsara  ny ataontsika rehetra . Aza manaraka  ny fiainan’izao  tontolo izao    , fa mandehana   araka  ny sitrapon’ Andriamanitra  . Hotsaraina  araka  ny ataontsika  isika  ka mijoroa ho tena  zanak’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM