Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 24 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Jaona 9.24-3824
24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany. 25 Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao. 26 Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao? 27 Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo? 28 Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy. 29 Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany. 30 Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy. 31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. 32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba. 33 Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy. 34 Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy. 35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? 36 Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? 37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. 38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. 39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. 40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba? 41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Jaona 9.24-3824
Izay nandray ny fahasoavan’ Andriamanitra
Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ilay lehilahy jamba nositranin’i Jesoa Kristy no hitantsika eto .
1-Manambara ny asany
Nadinina teo anatrehan’ireo Fariseo ilay lehilahy jamba nositranin’i Jesoa Kristy.Noterena izy hanambara fa mpanota io nanasitrana azy io . Tsy nanaiky izany anefa ity lehilahy nositranin’i Jesoa ity , fa nanambara ho ren’ny rehetra ny asa mahagaga nataon’i jesoa ho fanasitranana azy . Zava-dehibe aminy ny fanasitranana azony.
2-Manambara ny fahefany
Nanevateva ity lehilahy nositranin’i Jesoa Kristy ity ny Fariseo . Nanamafy izy ireo fa tsy mba avy amin’ Andriamanitra ilay nanasitrana azy . Sahy nijoro vavolombelona hatrany anefa ilay lehilahy jamba nahazo fanasitranana fa tena olona avy amin’ Andriamanitra i Jesoa matoa afaka nanasitrana ny masony . Hery sy fahefan’ Andriamanitra no nampiasain’i Jesoa Kristy ho fanasitranana azy . Nambarany ny fahefan’i Jesoa Kristy .
3-Manamafy ny fiombonana Aminy
Na dia niezaka nanozongozona ny finoan’ity lehilahy nahazo fahasoavana tao amin’i Jesoa Kristy ity ny Fairiseo dia tsy nahomby izany . Indro mihaona amin’i Jesoa Kristy , ilay nanasitrana azy izy ka manamafy ny fiombonana sy ny fifamatorana fiainana Aminy , hoy izy : « Tompoko , mino aho » (and38). Ny olona afaka mijoro ho vavolombelona marina dia izay manamafy ny fiombonany amin’i Jesoa .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM