Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 26 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Asan'ny Apostoly 28,28 - 31
28 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin'ny jentilisa, ary izy hihaino azy. 29 * [* Ampio hoe: [29 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra fatratra] 30 Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy, 31 dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Asa 28.28-31
Ny olom-boafidin’ Andriamanitra
1-Manambara fa ho an’ny olona rehetra ny famonjena
Na dia efa nifatotra noho ny amin’ny fitoriana ny Filazantsara aza i Paoly Apostoly dia tsy nitsahatra nanatanteraka ny asa nifidianan’ Andriamanitra azy . Eto izy dia manao fanambarana lehibe fa nanana anjara amin’ny famonjena notanterahin’ Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy koa na dia ny jentilisa aza. Midika izany fa tsy manavaka Andriamanitra , ny olona rehetra no sitrak’ Andriamanitra ho ao amin’ny famonjeny , handray ny fiainana omeny . Mampianatra antsika koa izany hilaza , hijoro ho vavolombelona amin’ny manodidina antsika fa tian’ Andriamanitra handray ny famonjena ihany koa izy .
2-Mitory hatrany ny Filazantsara
Niharan’ny fanenjehana maro samihafa i Paoly Apostoly tamin’ny fotoana nanatanterahany ny Asa fitoriana ny Filazantsara . Miharihary eto fa tsy nahasakana azy hijoro hatrany ho vavolombelon’ilay niantso sy nifidy azy izany . Voalaza eto fa nanohy hatrany nitory ny Filazantsaran’ny fanjakan’ Andriamanitra izy , nampianatra ny olona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny famonjena notanterahiny . Zava-dehibe taminy ny fitaomana ny olona rehetra hahalala ny fitiavan’ Andriamanitra ka hanaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy azy . Tsarovy fa ny olom-boafidin’ Andriamanitra dia tsy mihemotra fa mandroso hatrany mijoro ho vavolombelon’ilay namonjy azy .
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM