Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Deoteronomia 13.7-12
7 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), 8 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra), 9 dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao; 10 fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra. 11 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. 12 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Deoteronomia 13.7-12
Miorena amin’ny finoana
1-Tohero ny fakampanahy
Zava-doza ny fialana amin’ Andriamanitra . Na dia olona akaiky anao toy ny fianakaviana aza no mitaona anao handeha amin’ny làlana hafa handika ny sitrapon’ Andriamanitra dia sahia ianao manao « tsia ». Tohero hatrany ny fakampanahy , fantaro mandrakariva izay sitrapon’ Andriamanitra . Matetika tokoa isika kristiana no diso hevitra , mikajy ny fihavanana isika ka na dia zavatra tsy tokony hatao aza fa mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra no hitaoman’ny olona akaiky antsika dia manatanteraka isika . Tsy sahy mijoro ho vavolombelona isika ka manara-drenirano . Mazava ny toromarika ho antsika eto . Tohero ny fakampanahy .
2-Miorena ao amin’ Andriamanitra
Mampitandrina eto ny Tompo fa fahafatesana no anjara miandry izay olona mitaona ny namany hiala amin’ Andriamanitra . Kanefa koa fampitandremana ho an’ny olon’ Andriamanitra izany . Raha manaiky ho resin’ny fakampanahy hiala amin’ Andriamanitra ny mpino dia rava ny finoana , rava ny fanantenana. Ny fahafatesana ihany no anjarany satria voalaza fa fahafatesana no tambin’ny ota . Manoloana izany , taomina hatrany isika hiorina amin’ny finoana ka handray ny Tenin’ Andriamanitra ho fitsipi-piainantsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM