Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo .
Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo .
Matio 27,57 - 61
57 Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy. 58 Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nasain'i Pilato homena azy izany. 59 Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio, 60 dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha. 61 Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin'ny fasana.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo .
Mat 27 : 57-61
Rehefa sanatria misy olon-dratsy :toy ny dahalo , Jiolahy, mpanendaka, sns, ka matin’ny fitsarambahoaka, dia matetika tsy misy sahy maka ny fatiny, fa ny Fokonolona no mandevina azy, fa tsy misy sahy maka ny razana fa menatra ny fianakaviana. Na dia tsy olon-dratsy aza i Jesoa, dia izany no nahazo ny vatamangatsikany, rehefa tapitra ny ainy, fa saingy soa ihany fa nisy an’i Josefa izay lehilahy tsy menatra nijoro vavolombelona ka :
1-Vavolombelona sahy miresaka amin’ny manampahefana (and 58)
Raha vao teo amin’ny fisamborana an’i Jesoa fotsiny dia efa nandositra avokoa ireo mpianatra nanaraka Azy, mainka fa rehefa tao anaty fanadihadiana sy ny fitsarana dia nandà Azy intelo i Petera, ary vao mainka moa niampy trotraka izany rehefa maty Izy. Fa i Josefa avy any Arimatia ,iray tamin’ny mpianatr’i Jesoa , dia tsy nisalasala niresaka tamin’i Pilato, na dia fantatra aza fa mpitondra olon-dozabe izy io, mba haka ny fatin’ny Tompo. Sahy miresaka amin’ny mpitondra orinasa na fanjakana ve isika , mba hanao fanompoampivavahana na tafika Masina ao amin’ny tanàna na orinasa iray ohatra ? Fa tsy vitan’ny hoe tsy menatra ny ho vavolombelona fotsiny i Josefa fa :
2- Vavolombelona miasa hitan’ny olona rehetra (and 59-61 )
Amin’ny maha- olona manankarena an’i Josefa avy any Arimatia, rehefa vita ny fifampirarahana tamin’I Pilato, dia azony atao tsara no nanakarama olona , na nandefa ny mpanompony , haka ny fatin’I Jesoa, saingy tsy izany no nitranga fa izy tenany mihitsy no anisan’izay nanatanteraka izany teo imason’ny olona rehetra. Koa aza mamporisika ny hafa fotsiny amin’ny fijoroana vavolombelona , fa ianao mihintsy koa mirotsaha amin’izay sehatra misy anao.
Fanontaniana:
Inona no fijoroana vavolombelona tokony hataonao eo imasom-bahoaka?
P.Ndr