Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Eksodosy 25.1-9
1 [Ny nandidian'Andriamanitra an'i Mosesy ny amin'ny hanaovana ny Tabernakely sy ny fanaka momba azy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy. 3 Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina, 4 sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy,' 5 sy hoditr'ondrilahy efa nomen'aina sy hodi-takasy sy hazo akasia, 6 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona, 7 sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra. 8 Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho. 9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Eksodosy 25.1-9
Mijoroa ho vavolombelona amin’ny asa
1-Araho ny Tenin’ Andriamanitra amin’izany
Mazava ny baiko azon’i Mosesy : »Mitenena amin’ny Zanak’ Israely » (and1). Baiko mitaona ny vahoaka rehetra samy handray anjara ho enti-manangana ny tabernakely izany . Tsy tokony hisy hialangalana fa samy hitondra ny anjara birikiny rehetra , araka ny fananany sy ny fahaizany ary ny fanomezam-pahasoavany avy , kanefa atao mifanaraka tsara amin’ny baikon’ny Tompo nampitondraina an’i Mosesy izany . Nasaina nanao ny tabernakely mifanaraka tsara amin’izay nasehon’ny Tompo azy koa i Mosesy (and 9). Koa samia manompo sy mijoro ho vavolombelona amin’ny asa , kanefa araho ny Tenin’ny Tompo sy ny sitrapony amin’izay ataontsika .
2-Miasà ho vavolombelon’ny fiarahan’ny Tompo monina amintsika
« Asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy , dia honina eo Aminy Aho » (and8). Ny Tabernakely dia tempoly azo bataina sy afindra toerana , na tempoly « finday » . Ny tempoly , ny tabernakely , ny Fiangonana dia samy mariky ny fiarahan’ny Tompo monina amin’ny vahoakany , satria monina ao amin’ny Tompo . Niaiky izany i Jakoba tao Betela ka nanao hoe: « Ato amin’ity fitoerana ity tokoa i Jehovah …tsy hafa ity fa tranon’ Andriamanitra … » (Gen 28.16 , 17). Monina eo amintsika ny Tompo rehefa miasa hampijoro ny Fiangonana isika , ary ny Fiangonana rahateo no vatan’i Kristy ka mariky ny fiarahany monina amintsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM