Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo  

Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo  

Salamo  25.1-7
1 [Salamo abidy. Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko. 2 Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho. 3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra. 4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. 5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. 6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. 7 Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo  

Salamo  25.1-7

Hijoro  tsy amin-kenatra ianao!

1-Tsarovy  ny teny nataon’ny Tompo  taminao 

« Andriamanitra  ô, ianao  no itokiako , aoka  tsy  ho  menatra aho » (and 2a). Ny matoky  dia mino  no heviny . Tsy izany ihany , fa hoy   koa izy  :« eny , tsy hisy ho menatra  izay rehetra  miandry  Anao « (and3a) . Ny miandry kosa  dia mitovy   hevitra  amin’ny hoe: manantena . Toy  ny  miteny   ilay mpino hoe: ianao   no inoako   , ka matoky  aho . Koa manantena  aho  fa tsy hitsanga-menatra  amin’ny adiko  rehetra  sy amin’izay  manjo  ahy ! Samy tsy tongatonga  ho azy  anefa   na ny  finoana  (matoky) na ny fanantenana (miandry ), satria ny teny fanomezan-toky dia  efa nataon’ny Tompo  taminao . Tsarovy  ireny  dia hatoky  sy hino  ary hanantena  ianao , ka tsy   avelan’ Andriamanitra  hitsanga-menatra  amin’ny adinao rehetra .

2-Miaike  ny helokao  sy ny fahotanao 

Ny  and 6-7 dia milaza  fifonana  sy fiaiken-keloka . Ho  an’izay  tsy te-hitsanga-menatra dia mazava  tsara  ny fomba hizorana  ho amin’izany  , ankoatra  ny voalaza  teo aloha : miaike heloka, andeha hifona amin’ny Tompo  mba handraisantsika famelankeloka , ka hosaronany  ny fahotantsika  mba  tsy ho tazana  ary  tsy ho hita . Amin’izay  tsy hiseho  ho hitam-bahoaka  ny ota   sy ny fahalementsika  mety hahamenatra  , satria  voasarona .

Fanontaniana:

Ahoana  ny fahatakaranao  ny hoe: « Sambatra  ny olona izay  …voasarona ny fahotany « ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM