Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Lioka 6.6-11
6 Ary nony tamin'ny Sabata hafa koa niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty* tanana tao.[*Gr. efa maina, na malazo] 7 Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy. 8 Fa Jesosy nahalala ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro. 9 Ary hoy Jesosy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina? 10 Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany. 11 Dia safotry ny hatezerana* izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesosy.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Lioka 6.6-11
Mijoroa ho vavolombelon’i Jesoa
1-Lazao fa Mpamonjy amin’ny fotoana rehetra Izy
Fanaon’i Jesoa ny miditra ao amin’ny toeram-pivavahana isan-tanàna na ny Synagoga . Amin’ireny no hihainoana ny Tenin’ Andriamanitra sy fampianarana samihafa . Niavaka tamin’ity indray sabata ity , satria tsy nampianatra fotsiny i Jesoa fa nanasitrana . Zava-pady teo amin’ny Jiosy ny manao asa amin’ ny andro sabata na dia ny manasitrana aza . Niandry kendry tohina Azy momba izany ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo , kanefa tsy niahotra ny Tompo nanasitrana sy namonjy , na dia sabata aza ny andro .Tsy misy andro fady amin’ny Tompo , satria Mpamonjy amin’ny fotoana rehetra Izy . Koa aza menatra fa sahia isika mijoro ho vavolombelon’izany .
2- Lazao fa misy fahefana sy hery ny Teniny
Niteny sy nibaiko ilay lehilahy maty tànana i Jesoa ,dia nataony izany (and8) ary teo amin’ny and 10b , rehefa nasainy nahinjitra ny tànany , dia nataony izany ka sitrana ilay tànany maty . Misy hery sy fahefana ny Tenin’ i Jesoa kristy , ka sahy nampijoro sy nampitsangana ilay marary no nanasitrana ny tànany . Koa mijoroa ho vavolombelona fa manan-kery mampihetsika izay mino Azy ny Tenin’ny Tompo no sady manana hery sy fahefana manasitrana . Teny velona , teny mpahary , teny manome fiainana ho an’izay mandray ka mino izany . Sahia àry , ka aza menatra ny hjoro ho vavolombelon’izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM