Aza menatra ny ho vavolombelon’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 12 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny  Tompo 

Salamo  92.1-4
1 [Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, 2 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina, 3 Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga. 4 Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny  Tompo 

Salamo  92.1-4

Vavolombelon’ny  fahalehibiazan’ny Tompo isika

1-Ambarao  amin’ny fotoana rehetra ny heriny

Salamo  fiderana  sy fankalazana  ity  faha-92  ity  . Saika  mandrakariva dia fanao  ao  amin’ny Tempoly izany , amin’ny fanompoampivavahana iombonana na amin’ny vavaka  manokana  ataon’ny mpino   mahatsapa  ny  famonjen’ny Tompo  . Ny herin’ Andriamanitra  sy ny fahalehibiazany  no ambara  sy lazaina amin’izany . Mihoatra  noho  izany  anefa eto  , fa na  amin’ny maraina  na amin’ny alina   dia tokony  ho tsapantsika izany ka ambara  ny heriny (and2). Tsy hotsarovana  an-tsaina  ihany  izany  fa ambara  sy lazaina  ary toriana amin’ny hafa .

2-Lazao sy ambarao  ny asam-pamonjena  nataony 

Tsy   ny  toetran’ Andriamanitra  ,na  ny fahatsarany  sy ny heriny  mbamin’ny fahalehibiazany  ihany   no tokony holazaina , fa ny  asa nataony koa. Mahafaly ny asan’ny Tompo  , satria asam-pamonjena sy fanavotana  izany : « ampifalianao  amin’ny nataonao aho  Jehovah ô! .Ny  asan’ny tànanao  no hihobiako »(and4) rehefa tojo  ny zava-tsarotra  isika  dia adinontsika  ny asan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika . Aza refesina na afatra  amin’izay zava-mitranga indray andro  na amin’ny fotoana fohy  ny asam-pamonjena  sy ny fitiavan’ Andriamanitra antsika hatrizay  . Ny  fahoriana  sy fahasahiranana vetivety  dia  tsy  tokony  hanadinoana ny asan’ Andriamanitra   teo  amin’ny fiainanao . Koa lazao  mandrakariva  ny asa nataony .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM