Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo  

Mofonaina anio: Talata, faha 12 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo  

Salamo  92.1-4
1 [Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, 2 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina, 3 Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga. 4 Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo  

Salamo  92.1-4

Vavolombelon’ny  fahalehibiazan’ny  Tompo  isika 

1-Ambarao  amin’ny fotoana rehetra ny  heriny 

Salamo  fiderana  sy fankalazana  ity  faha-92 ity . Saika mandrakariva  dia fanao ao amin’ny tempoly  izany , amin’ny fanompoampivavahana iombonana , na amin’ny vavaka manokana ataon’ny mpino  mahatsapa ny famonjen’ny Tompo . Ny herin’ Andriamanitra sy ny fahalehibiazany  no ambara  sy lazaina  amin’izany  .Mihoatra  noho izany  anefa eto , fa na amin’ny maraina  na amin’ny alina dia tokony  ho tsapantsika izany  ka ambara  ny heriny (and2). Tsy  hotsarovana  an-tsaina  ihany izany  fa ambara sy lazaina ary toriana  amin’ny hafa.

2-Lazao sy ambarao  ny asam-pamonjena nataony

Tsy  ny toetran’ Andriamanitra na ny fahatsarany sy ny heriny mbamin’ny fahalehibiazany  ihany no tokony  holazaina , fa  ny asa nataony koa . Mahafaly  ny asan’ny  Tompo  , satria asam-pamonjena sy fanavotana izany : »ampifalianao  amin’ny nataonao aho , Jehovah ô. Ny  asan’ny tànanao  no hihobiako  » (and4), rehefa tojo ny zava-tsarotra isika dia adinontsika ny asan’ Andriamanitra  teo  amin’ny fiainantsika . Aza refesina  na afatra amin’izay zava-mitranga indray andro  , na amin’ny fotoana fohy  ny asam-pamonjena sy ny fitiavan’ Andriamanitra antsika hatrizay . Ny fahoriana sy fahasahiranana vetivety  dia tsy  tokony  hanadinoana ny asan’ Andriamanitra teo  amin’ny fiainanao  . Koa lazao  mandrakariva ny asa nataony .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM