Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Daniela 3.13-18
13 Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo. 14 Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako? 15 Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany? 16 Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany. 17 Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô. 18 Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Daniela 3.13-18
Manana fahasahiana hijoro ho vavolombelona
1-Rehefa fantatrao ny hery sy fahefan’ny Tompo
Eo amin’ny and 17 i Daniela sy ny namany roa lahy dia natoky fatratra fa ny Andriamanitra izay tompoiny dia mahavonjy sady hamonjy . Famonjena ankehitriny sy amin’ny ho avy izany . Tena fantatr’izy ireo ny herin’Ilay Andriamanitra tompoiny . Fantany izay inoany , fa ianao kosa mba ahoana? Sa ataontsika tsianjery haingom-pitenenana na angolateny ihany ny maha- Mpamonjy Azy sy ny nanomezana Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ? Manàna fahasahiana mijoro ho vavolombelon’ny Tompo rehefa fantatrao sy itokianao ny hery sy fahefany .
2-Rehefa hentitra sy mafy ny finoanao
Nolavin’izy telo mirahalahy ankitsirano ny didin’ny mpanjaka Nebokadnezara , araka ny hita eo amin’ny and 18. Sahy mijoro hatramin’ny farany izy ireo , satria manana finoana mafy orina sy hentitra . Hainy ny mampitaha ny herin’Ilay tompoiny sy ny andriamani-tsy izy . Mifanaretsaka sy mifanjevo ny fampianarana samihafa sy ny filazana ny herin’ ny andriamanitra tompoin’ny isan-tokony ankehitriny . Ilaina ny finoana hentitra sy matotra . Ny finoana dia avy amin’ny teny toriana na teny henoina . « Finoana avy amin’ny fihainoana », ary fihainoana ny Tenin’ny Tompo . Aza atao latsa-danja ny fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra ary itokio izany dia ho hentitra sy ho mafy orina ny finoanao .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM