Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo 

1 Samoela 17.38-51
38 Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra*.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano] 39 Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany. 40 Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy. 41 Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe. 42 Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo* no tsara tarehy.[Na: tendron-tava] 43 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina 44 sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia et? amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy. 45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. 48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina. 49 Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. 51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

1 Samoela 17.38-51

Ny olona matoky  an’ Andriamanitra 

1-Miankina  amin’ny herin’ Andriamanitra 

Ady sarotra  no miandry an’i Davida . Na dia  nanome fitaovam-piadiana entina miatrika izany aza i Saoly mpanjaka dia nesoriny  izany  , toa asehony  fa tsy ny fananana fitaovana ary fomba entina miady  no zava-dehibe fa ny fatokiana an’ Andriamanitra . Ny fitaovana efa nanany , hainy  mampiasa araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra azy no nampiasainy . Mampianatra antsika koa izany  fa rehefa mampiasa ny aminn’y finoana ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny  Tompo antsika izany  dia mahita fahombiazana hatrany .

2-Miroso  amin’ny finoana

Niroso  naneho ny heriny  i Goliata ny fahavalon’i Davida . Nirehareha , nanao tsinotsinona an’  Andriamanitra izy . Tsy nampihemotra an’i Davida izany  fa indro  niroso izy , vonona hiatrika  ady . Feno  fahasahiana  nijoro  vavolombelona fa mahery  Ilay Andriamanitra itokiana . Nijoro  ho mpanafika avy hatrany  izy , nampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra azy . Resy  noho  izany  ny fahavalony  . Rehefa  manaky  handroso  eo ambany  fomban’ Andriamanitra  isika dia tsy  ho resy fa ho  mpandresy hatrany .

Fanontaniana: