Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
1 Korintiana 3.1-9
1 [Ny amin'ny raharahan'ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy] Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy. 2 Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza, 3 fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona? 4 Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo? 5 Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy. 6 Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. 7 Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. 8 Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. 9 Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
1 Korintiana 3.1-9
Ny mpanompo mahatoky
1-Mananatra
Manana toetra tsy mifanaraka amin’ny fiainana maha-kristiana ny mpino sasany tao Korinto. Tsy niainan’izy ireo ny Tenin’ Andriamanitra , tsy niorina tsara ny finoany . Ambaran’i Paoly Apostoly aza fa mbola mandeha araka ny maha-olona nofo ihany fa tsy mandeha araka ny Fanahy . Nanjaka tao amin’izy ireo ny fiainan’izao tontolo izao , tsy mirindra ny fiainan’ny fiaraha-monina . Mananatra mafy i Paoly Apostoly , fa tsy mifanaraka amin’ny fiainana maha-kristiana izany ka tokony ialana . Ny tena mpanompon’ Andriamanitra mahatoky dia tsy menatra manitsy sy mananatra izay rehetra tsy mitoetra tsara amin’ny finoana .
2-Mahay miara-miasa amin’ny hafa
Asehon’i Paoly Apostoly fa na dia maka ankolafiny aza ny kristiana . Mitady hampizara sy hampitsitokotoko ny mpitory ny Filazantsara dia ambarany fa tena mpiara-miasa ireo nofidian’i Jesoa Kristy. Mifameno ny asa fanompoana tanterahan’ny mpitory ny Filazantsara . Mpiara-miasa amin’ Andriamanitra ny mpitory ny Filazantsara , noho izany mahay miara-miasa ho fampandrosoana ny kristiana ho ao amin’ny famonjen’i Jesoa Kristy . Mijoro vavolombelona ny mpanompo mahatoky fa tsy azon’ny olona zarazaraina eo amin’ny asa fanompoana nanirahana azy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM