Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo 

Marka 15 .37-40
1 Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin*'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.[*Na: dia]

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Marka 15 .37-40

Ny fahafatesan’i Jesoa  Kristy 

1-Mampihavana  ny olona amin’ Andriamanitra

Rehefa  maty  teo ambony  hazo  fijaliana i  Jesoa  Kristy   dia voalaza   eto  fa « ny efitra  lamba  tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa  » . Io  lamba  io no nanasaraka ny toerana masina sy ny faritra  sisa  tao  amin’ny Tempoly . Maneho  izany  fa azon’ny olona tsirairay  atao  ny mifandray mivantana amin’ Andriamanitra , tsy  misy  olona mpanelanelana  intsony  . Vitan’i Jesoa Kristy teo amin’ ny hazo  fijaliana  ny fampihavanana ny olona tamin’ Andriamanitra . Vita  fihavanana amin’Andriamanitra  ianao  . Taomy  hihavana  Aminy  koa ny namanao .

2-Mitaona  ho  amin’ny finoana

Fanambaram-pinoana lehibe  sy  miavaka   ihany  koa   no nataon’ilay kapiteny nanara-maso  akaiky  ny toejavatra  nitranaga  teo  amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy. Rehefa  nahita   ny  fanoloran’i Jesoa ny ainy  izy   dia indro  resy  lahatra   fa tena Zanak’ Andriamanitra io  voahombo   tamin’ny hazo  fijaliana io . Afaka  tamin’ny  tsy finoana izy ,tonga amin’ny fahalalana ny làlam-pamonjena . Tsarovy  fa manana anjara isika ankehitriny  hijoro ho vavolombelona amin’ireo  manodidina  antsika fa i Jesoa Kristy  tokoa no Ilay Zanak’ Andriamanitra , maty  ho famonjena antsika .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM