Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Asan'ny Apostoly 12,11 - 17
11 Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra. 12 Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao. 13 Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino. 14 Ary rehefa nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady. 15 Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany. 16 Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona. 17 Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Asa 12.11-17
1-Mahay ny zavatra rehetra ny Tompo
Raha dinihana ny Asa 12 dia hita taratra fa nataon’ny fahavalo mafy tsara ny fiambenana an’i Petera . Nihevitra ny fahavalon’ny Filazantsara fa afaka manao izay tiany atao amin’ny iraky ny Tompo . Tsy izany anefa no niseho . Tafavoaka ny fonja namatorana azy i Petera . Miavaka ny fomba nanafahan’ Andriamanitra . Eny , fa na dia i Petera aza rehefa tafavoaka ny fonja vao gaga sy nahatsapana fa naniraka anjely hanafaka azy ny Tompo . Tsy takatry ny saina ny làlam-pamonjena sokafany eo anoloan’ny mino Azy .
2-Tsy azo afenina ny asan’ Andriamanitra
Rehefa afaka tao an-tranomaizina i Petera dia indro tery am-panahy hiseho tamin’ireo mpianatra namany . Hilaza , hitantara ny fomba nanafahan’ Andriamanitra azy tamin’ny hetraketraky ny fahavalo . Fampaherezana ireo mpianatra namany izay efa kivy noho ny fanenjehana izany sady fanehoana fa mamaly vavaka tokoa ny Tompo ho an’izay maharitra mitaraina Aminy (and5). Tsy ho mpihaino fotsiny anefa ireto mpianatra ireto fa irahina indray hanambara izao fanafahan’ny Tompo an’i Petera tamin’ny fomba mahagaga izao . Midika izany fa izay rehetra mandre ny asa famonjen’ Andriamanitra dia tokony hanambara izany amin’ny hafa .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM