Aza matahotra , tsy manary Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Janoary 2021

ISAIA 51.12-16

ISAIA 51.12-16
12 Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra 13 ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory? 14 Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina. 15 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany*; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarako**. [*Na: Izay mampitsahatra ny rano, raha mirohondrohona ny onjany] [**Heb. anarany] 16 Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao* ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao. [Heb. Hamboly]

Aza matahotra , tsy manary Andriamanitra

1-Tsinontsinona eo anatrehany ny fahavalonao (and12,13)

« Nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty fa aiza intsony izay fahatezeran’ny mpampahory ? « . Ahasinkasin’ny mpaminany eto fa zinona eo anatrehan’Andriamanitra ny Babyloniana izay nambabo azy ireo ka tsy tokony ho ketraka sy kivy fa ho avy ny famonjen’ Andriamanitra .Tsy manary Andriamanitra ary tsy tokony hisalasala hametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra ny olona . I Jesoa koa raha nampahery ny mpianany dia nilaza hoe : « Aza matahotra ry ondry vitsy  » (Lio 12.32) . Ianao koa , aza matahotra sy miferinaina intsony , na dia toa makadiry aza ny fahavalonao , zinona eo anatrehan’ Andriamanitra izany !

2-Azy ny hery sy ny fahefana (and15)

Entin’ny mpaminany mampitraka ny olona ny fanamafisany indray fa tsy Andriamanitra resy akory Andriamanitra araka ny fiheverana tamin’izany fotoana izany fa hatramin’ny voahary manontolo aza eo ambany fifehezany ka mahatonga azy hilaza fa Izy no « mampanonja ny ranomasina » , ary « Jehovah Tompon’ny maro » no Anarany . Ny hevitr’ io anarana io dia hoe : « Tsitoha » na « Jehovah Andriamanitry ny tafika » efa nohazavaina tamintsika omaly . Fa misongadina eto koa ny fampanantenan’Andriamanitra fa tsy hanadino velively ny olona Izy ka ambarany mazava ny hoe : « oloko ianao » , ary tsy maintsy ho tafaverina any Jerosalema.

Fanontaniana :

Inona teo amin’ny fiainanao no efa nahatsapanao fa tsy manary tokoa Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM