Aza mandrorona, Meteza hanarina
Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Oktobra 2022
GALATIANA 4.8-20
8 Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy; 9 fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray? 10 Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. 11 Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. 12 Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo; 13 nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany; 14 ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza. 15 Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy. 16 Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo? 17 Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa. 18 Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho. 19 Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo, 20 enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.Izao taratasy alefan’iPaoly ho an’ny Galatiana izao dia mampianatra antsika hoe : rehefa nandray ny Filazantsara dia :
1-Aza mandrorona (and8-11)
« fa ankehitriny rehefa mahalala an’Andriamanitra ianareo , nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ny abidiam-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona nefa tianareo hotompoina indray« . Hentitra I Paoly mananatra ny Galatiana “Ry Galatiana adala” aza no niantsoany azy ao amin’ny Gal 3.1) satria efa nanao dingana lehibe ny Kristiana tao, efa nandray ny Filazantsara , kanefa dia mitady hiverin-dàlana indray ka hanadino ny famonjena efa azo rahateo . Efa tafafindra niala tamin’ny fahafateana ho amin’ny fiainana” (Jao 5.24) hoy I Jesoa izay mino Azy. Efa velona izao ve hitady fahafatesana indray ? Tandremo àry mba tsy handraraka ilo mby an-doha , hiverina hilom-potaka indray.Fahadalana bevava izany .
2-Meteza hanarina (and12-16)
“Koa efa tonga fahavalonareo va aho,satria milaza ny marina aminareo?” , hoy I Paoly manohy ny fananarany .Tsy mitsitsy fitenenana I Paoly manitsy ny Galiliana , ny ao ambadik’izany anefa dia tsy fankahalana velively fa fampisaintsainana sy fitaizana aza . Mazana . Mazana tsy tantin’ny olona ny teny mahitsy sy marina atao hananarana azy ka manjary hatsangany ho fahavalo indray izay mananatra .Efa nanjo an’I Jesoa matetika izany , ka ny filazany ny marina no anisan’ny nankahalan’ny Fariseo sy ny namany ka nitadiavany izay hahafaty an’I Jesoa mihitsy. Ianao kosa , taomina anio mba tsy hanetsi-tadiny fa handray am-pitiavana izay fanitsiana ataon’ny ray aman-dreny fa “ny zanaka tiana no anarina” (Apo 3.19)
Fanontaniana :
Manoloana ny mofonaina anio, mby aiza anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM