Aza manavakavaka
Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Febroary 2024
Jakoba 2. 8-13
Jakoba 2. 8-13
8 Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra* ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. [* Gr. andriana] 9 Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota. 10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. 11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. 12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana. 13 Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.1. Aza manavakavaka (and 9)
« Fa raha mizaha tavan’olona kosa ianareo dia manota ka helohin’ny lalàna ». Tsy mifanaraka amin’ny anarana maha Kristiana hoy i Jakoba ny fanavakavahana, na fanomezana tombondahiny ho an’ny mpanan-karena satria mahamena-maso izy, sy ny fanilikilihana sy fanamavoana ny mahantra satria heverina fa tsy misy antenaina aminy. Mifanohitra amin’ny didim-pitiavana, efa nambara tany amin’ny Testamenta Taloha ary nohamafisin’i Jesoa, ny amin’ny tokony hitiavana ny namana tahaka ny tena. Ny Tsy Kristiana aza mahay mifankatia sy tsy mifanilikilika, koa tsy henatra ho antsika va?
2. Aza mihatsaravelatsihy (and 10)
« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha, dia meloka amin’izy rehetra ». Tsy ny sasan-tsasany amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina ihany no tokony hankatoavina fa izy manontolo. Ka na mitandrina fatratra ny lalàna rehetra aza kanefa tsy mahay mitia, dia meloka. Tandremo ary sao fotsy sy lava akanjo rehefa hitan’ny olona fa misy tandroka sy rambo amin’ny madinika, ka manao toetra tsy zaka sy mampalahelo azy ireny!
3. Aza mafy fo (and 13)
« Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy mamindra fo ». Taomin’i Jakoba isika hahatsiaro fa hitsarana antsika izay ataontsika rehetra, ary tsy misy ialana maina. Fa indrindra indrindra, araka izay natao no handraisana ny valin’asa ihany koa. Henoy ny fampianaran’ny Soratra Masina mitaona antsika hoe: « Aoka ianareo hiteny sy hanao izay mahamendrika anareo, izay olona hotsaraina » (and 12)
Fanontaniana:
Inona ary no tokony atao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe