Aza manao toy ny Fariseo sy ny mpanora-dalana!

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Desambra 2024

Matio 23.1-12

Matio 23.1-12
1 Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe: 2 Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; 3 koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. 4 Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa. 5 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny. 6 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga 7 sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô! 8 Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. 9 Ary aza milaza olona et? an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. 10 Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. 11 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. 12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.

Aza manao toy ny Fariseo sy ny mpanora-dalana!

Mampitandrina ny mpianany sy ny vahoaka izay nihaino Azy i Jesoa, noho ny amin’irco Fariseo sy ny Mpanora-dalana.

1- Mampitondra enta-mavesatra

Nohajaina sy neken-teny fatratra ny Fariseo sy ny mpanora-dalána tamin’ny andron’i Jesoa. Tamin’izany fotoana izany ny mpanora- dalana dia nampianatra sy nampihatra ny lalàn’i Mosesy; ary ireo Fariseo kosa dia nanava-tena ho masina, ka tsy te hifangaroharo amin’ny olona izay heveriny ho tsy manaja ny lalàm-pivavahana jiosy. Nipetraka teo amin’ny fipetrahan’i Mosesy izy ireo, izany hoe naka ny toeran’ny mpampianatra sy mpampihatra lalåna (and.2). Nampian’izy ireo didy sy fitsipi-pifehezana samihafa araka izay noheveriny, sy izay noraisiny avy tamin’ny lovan- tsofina izany. Ka ny fombafombam-pivavahana ivelany no tena nahasarotiny azy. Vokatr’izany dia tonga enta-mavesatra sy nangeja ny vahoaka ny fampiharana ny lalàm-pivavahana ka tsy nahitana fitsaharana (and.4). Ary na izy ireo koa aza mba tsy mahatanteraka ny lalàna izay nampianariny (and.4); nanjary toy ny « mpitari-bato vilam-bava », hoy ny fitenenana.

2- Te hoderaina

Nahavita asa tsara sy nahafinaritra tokoa izy ireo. Saingy ny nahadiso azy dia izao: ny hahazoany dera imason’ny olona no tena nokendreny tamin’izany (and.5). Izany no itiavany mipetraka eny aloha mba ho hitan’ny olona rehefa any amin’ny fanasana na ao amin’ny Synagoga; faly ery izy rehefa antsoin’ny olona eny an- dalana hoe « Raby », izay azo adika hoe: « mpampianatra », na « lehibeko », na « tompoko ». Mbola maro amin’ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahefana no te hoderaina tahaka azy ireny fa tsy mba mahay manetry tena. Loza! (vakio ny and. 13 sns).

Fanontaniana:

Araka ny hevitrao, ahoana ny fomba fampiharana ny Mat 23.11?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny fahatongavan’ny Mesia

Talata, 24 Desambra 2024

Ny fahatongavan’ny Mesia 1- Miseho amin’ny endrika feno fanetren-tena Noharin’ny mpaminany Isaia amin’ny hazo voakapa…

Fomba hiatrehana ireo fahavalon’ny F...

Alatsinainy, 16 Desambra 2024

Fomba hiatrehana ireo fahavalon’ny Filazantsara Tsy ny olona rehetra akory no faly tamin’ny asa fitoriana…

Fanetren-tena mampiavaka ny olon’And...

Alakamisy, 5 Desambra 2024

Fanetren-tena mampiavaka ny olon’Andriamanitra: 1- Mandrindra ny fihavanana Miara-miaina ao anatin’ny fiarahamonina ny olona araka…