« Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra » (and14).

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Aprily 2024

Matio 19, 13-15

Matio 19, 13-15
13 Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny. 14 Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra. 15 Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.

« Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra » (and14).

Jesoa sakaizan’ny zaza sy ny ankizy madinika.

1- Misy hatrany ireo manilika ny zaza sy ny ankizy.

« …Fa ny mpianany niteny mafy ireny » (and13b): Manoloana ny hetahetan’ny olona hitondra zaza mba hametrahan’i Jesoa tanana dia niteny mafy azy ireny ny mpianatra. Ilay fomba Jiosy izay tsy manisa akory ny zaza amam-behivavy no hita taratra eto. Aza ailika ny madinika.

2-Tia zaza ny Jesosintsika

« Nefa Jesosy nanao hoe… » (and14). Tsy neken’i Jesoa ny fanakanan’ny mpianatra. Manana zo hanatona an’i Jesoa ny zaza. Hatramin’izao dia tsy vitsy ireo manilika ankolaka ny zaza sy ny ankizy. Misy aza Fiangonana tsy manana mpampianatra Sekoly lahady akory, Ao koa ireo manamaivanana ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.

3-An’ny toy ny zaza ny fanjakan’ny lanitra

Mora mamela heloka ny zaza, tsy manao otri-po ny, tsara toerana eo anatrehan’ny Tompo ny zaza ary an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra hoy Jesoa. Mora anarina ny zaza; mametraka fitokisana feno amin’ny raiamandreny sy ny mpanabe ny zaza. Manaraka ny toromarika omena azy ny zaza. Mila mandinika sy mianatra ny ataon’ny zaza isika.

4- Mametra-tanana amin’ny zaza i Jesoa

Sady mariky ny tsodrano no maneho fifandraisana ny fametrahan’i Jesoa tanana amin’ny zaza. Mikatsaka hatrany izay mahasoa sy mahatsara ireny madinika ireny ny Tompo. Tsy eken’i Jesoa ny mahatafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino (Mar 9, 42)

Fanontaniana

Inona avy ireo toetra azo alain-tahaka amin’ny zaza?

Sampana Sekoly Alahady Foibe