Atreho amin’ny finoana ny adinao

Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Oktobra 2020

1SAMOELA 17.42-51

1SAMOELA 17.42-51
42 Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo* no tsara tarehy.[Na: tendron-tava] 43 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina 44 sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia et? amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy. 45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. 48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina. 49 Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. 51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.

Atreho amin’ny finoana ny adinao

1- Fa aza mihemotra

« Fa izaho kosa manoloana anao… » hoy i Davida eo anatrehan’i Goliata izay mihaika azy . Aseho antsika eto ny fahasahiana sy ny hafanampo ananan’i Davida , tsy nihemotra izy na dia hita aza fa manam-pitaovam-piadiana àry fomba tamin’izany sady manana toe-batana matanjaka ny fahavalo eo anoloany fa niroso izy . Tsy vahaolana ny fandosirana ny fahavalo na ny olana eo anoloana fa ny miatrika kosa satria izay sahy miatrika no afaka hanantena fa handresy .

2-Aza miantehitra amin’ny herinao

« Manatona anao amin’ny Anaran’i Jehovah Tompon’ny maro… », hoy i Davida . Ambarany eto fa tsy izy amin’ny maha-Davida kely azy eto no manatona hiady , tsy fitaovam-piadiana ihany koa no arangarangany fa Andriamanitra mihitsy no soloiny tena . Ianao koa , miantehera amin’ Andriamanitra fa aza mihevi-tena ho mahavita tahaka an’i Goliata . Resy ianao raha miantehatra amin’ny fitaovana . Tsy mahay na inona na inona ianao raha misaraka Amiko , hoy i Jesoa, ka miraisa Aminy hatrany .

3-Fa manana Andriamanitra mahery ianao

Ny dikan’ny hoe : « Jehovah Tompon’ny maro… » dia he : Jehovah Andriamanitry ny tafika , izany hoe : tena Andriamanitra Tompon’ny hery mihitsy . Koa tsy mampanahy ny miankina Aminy amin’ny ady tsy maintsy atrehana , ary fantantsika ny tohin’ny tantaran’i Davida fa nampandresen’Andriamanitra izy . Koa aza kanosa fa matokia Azy (Isa 9.5) , hampandresy anao Izy . Ny fahafatesana aza noreseny .

Fanontaniana :

Inona no mampatahotra anao tsy hiatrika amim-pahasahiana ny adinao amin’ny fotoana sasany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM