Ataovy tsara ny safidy

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Aogositra 2020

DANIELA 3.13-18

DANIELA 3.13-18
13 Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo. 14 Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako? 15 Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany? 16 Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany. 17 Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô. 18 Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.

Ataovy tsara ny safidy

1-Aza mivavaka  amin’ny andriamanitra tsy  izy

Nanamboatra  andriamanitra  i  Nebokadnezara  mpanjaka ary  nandidy  ny olona rehetra  eo  ambany  fifehezany  izy hivavaka  amin’izany  andriamanitra  namboariny  izany  . Eto  aloha  dia mahavariana ny zava-misy   , andriamanitra ve dia amboarina ? Kanefa dia izany   no zava-misy  eto  . Ny tiany  hahatongavana amin’izany  dia izy  no ho ambony  indrindra satria izy  no nanamboatra  ilay andriamanitra . Tiany  hanaiky  izany  ny olony  rehetra  . I Sadraka sy  I Mesaka ary I  Abednego kosa anefa , na dia  lasa ho isan’ny  olona feheziny  aza dia nahasahy  nanohitra ny  teny  na ny didin’ny mpanjaka , ka tsy  hivavaka amin’ny andriamaniny  satria efa manana izay ivavahany  sy maharesy  lahatra azy .

2-Mivavaka amin’Andiamanitra tokana sy marina

Nahatezitra  mafy  ilay  mpanjaka izany fanapahankevitr’izy telo lahy  izany . Nampiantso  azy ireo  izy ka niteny  hoe : “Moa  fanahy ninianareo  va ny tsy  hanompoanareo  ny andriamanitro?” Mbola niala nenina tamin’izy telolahy  ilay  mpanjaka  ary  nilaza fa hamindra fo  aminy  raha nanapan-kevitra ny hivavaka amin’ny andriamaniny  izy ireo  . Mazava  anefa ny valitenin’izy telolahy (and 16-18) . Efa vita  ny  safidin’izy  telolahy  ka na inona na inona fanerena  azy ireo  hivavaka amin’andriamanitra hafa sy izay  ho sazy  aterak’izany  , dia tsia no navaliny , na dia tenin’ny  mpanjaka aza izany  , satria ny Andriamanitra inoany  irery no tsy  maintsy  eken-teny  sy atahorana ary ivavahan.

Fanontaniana :

Moa mahay  sy mahasahy  misafidy izay tokony ho Andriamanitra ivavahany  ve ny  kristiana na dia misy aza  ny teritery  tahaka izay voalaza eto ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE  FJKM