Ataovy tsara ny fankalazana an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 05 Desambra 2023

1 Tantara 16. 4-14

1 Tantara 16. 4-14
4 [Ny nandaminan'i Davida ny fanompoam-pivavahana, sy ny salamo natao ho fisaorana an'i Jehovah] Ary ny Levita sasany notendren'i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: 5 Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona; 6 Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. 7 Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah. 8 Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany. 9 Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. 10 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah. 11 Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany. 12 Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany, 13 Hianareo taranak'Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba. 14 Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.

Ataovy tsara ny fankalazana an’Andriamanitra

Nifaly ny zanak’Israely satria tonga tao Jerosalema ny fiaran’ny faneken’i Jehovah. Mahatsiaro sy mahatsapa ireto yahoaka fa manatrika ny fiainany Andriamanitra. Fankalazana an’ Andriamanitra no nameno ny fony.

1-Ataovy tsara ny fandaminana

Mba hahalavorary ny fanompoam-pivavahana ho fankalazana an’Andriamanitra dia nanao fandaminana i Davida mpanjaka. Notendreny ireo tomponandraikitra samihafa : ny mpitarika. ny mpandrindra ireo mpitendry valiha sy lokanga, ny mpampaneno kipantsona sy ny mpitsoka trompetra. Tomponandraikitra amin’ny fitarihana ny fiderana an’Andriamanitra ny mpitendry zava-maneno. Ataovy tsara ny fandaminana, ny fiomanana mba hiseho hatrany ny voninahitr’Andriamanitra.

2- Ampahafantaro ny asan’Andriamanitra.

Ny fankalazana an’ Andriamanitra dia fanehoana, fampahafantarina amin’ny olona hafa ny asany teo amin’ ny fiainana. Nahatsiaro ny asan’ Andriamanitra tokoa ny Zanak’ Israely, ka nidera Azy, nilaza ny asa mahagaga nataony teo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fankalazana an’Andriamanitra araka izany dia sady famelomana finoana ahafahana mitoetra mandrakariva eo amin’Andriamanitra no fitaomana ny hafa ho an’Andriamanitra. Ny olona mino fa Mpamonjy Azy i Jesoa Kristy dia manokana fotoana mandrakariva ho fankalazana Azy sy fijoroana vavolombelon’ny asa notanterahiny teo amin’ny fiainana.

Fanontaniana:

Fomba ahoana no entinao milaza ny asan’Andriamanitra teo amin ‘ny fiainanao amin ‘ny olona manodidina anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM