Ataon’ny marina izay navotan’i Jehovah
Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Aprily 2022
Isaia 25. 1- 9
Isaia 25. 1- 9
1 [Hira fisaorana an'Andriamanitra noho ny soa nataony ho an'ny olony sy ny nampijaliany ny fahavalony kosa] Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.1 – Ataon’ny marina izay navotan’i Jehovah
Ambaran’ny mpaminany Isaia eto ny hira fisaorana amin’ny mpino mahatoky izay nametraka ny fiainany amin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fanekem-pinoana « Jehovah ô, Andriamanitro hianao ».
Jehovah no ekeny, ary ny maha Izy Azy no ankatoavina eto , toetrany sy ny maha-Andriamanitra velona Azy. Ny mino izay navotan’i Jehovah dia afaka misaotra Azy, satria ho famonjena ny tsy fiovany. Deraina satria miavaka ny asany.
2 – Noho ny fandresen’i Jehovah.
Ny fandresena dia hanorenana indray ny fifaliana ao am-pon’ny olona. Ny divay dia mariky ny fiainana, izay enti-misaotra an’i Jehovah (25. 6, 7). I Jesoa koa dia efa nilaza io fiverenan’ny divay io, ny fiaraha-misakafo lehibe any amin’ny fanjakany (Mat. 22. 1-14 ; Lio. 22. 18 ; Jao. 2. 1-11).
Ny divay anambarana ny fiainana dia manambara ny fandresena tanteraka ny fahafatesana (25. 6).
3 – Avy amin’Andriamanitra ny famonjena
Eto amin’ity and. 9 ity ny mpaminany dia miverina amin’ny fanekem-pinoana ary mametraka tsara ireo teny fiderana farany izay miankina amin’ny fandresena ny fahafatesana. Avy amin’Andriamanitra ny famonjena (and. 1, 9).
Fanontaniana :
Mba anisan’ny mpanompon’Andriamanitra mahay misaotra ve ianao, rehefa notahiany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM