Asan’ny Apostoly 28.17-31

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Jolay 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 28.17-31
17 Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain'i Paoly hiangona izay lohandohany tamin'ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy diso tamin'ny firenentsika aza, na tamin'ny fanaon-drazana; 18 ary rehefa nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany, satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy. 19 Fa raha notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin'i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory. 20 Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan'ny Isiraely no ifatorako amin'ity gadra ity. 21 Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao; 22 fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin'izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy. 23 Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy. 24 Ary ny sasany nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino. 25 Ary raha tsy niray saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay nampilazain'ny Fanahy Masina an'Isaia mpaminany tamin'ny razanareo 26 manao hoe: Mandehana any amin'ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita; 27 Fa efa adala ny fon'ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10). 28 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin'ny jentilisa, ary izy hihaino azy. 29 * [* Ampio hoe: [29 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra fatratra] 30 Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy, 31 dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.

Asan’ny Apostoly 28.17-31

Tonga soamatsara tany Roma ry Paoly . Inona no nataony rehefa tonga tany ?

1-Nanao tatitra ny anton-diany tamin’ny Jiosy i Paoly (and17-22)

Na dia ny Jiosy aza no nisambotra sy nanolotra an’i Paoly tamin’ny fitsarana , dia tsy nisalasala izy hihaona amin’ny Jiosy tahaka azy tany Roma . Izy no nanao dingana voalohany amin’ny fifandraisana . Fianarana ho antsika izao nataon’iPaoly izao.

2-Nitory an’i Jesoa sy ny fanjakan’ Andriamanitra tamin’ny Jiosy i Paoly (and23.30-31)

Nampianatra momba ny fanjakan’ Andriamanitra i Paoly. Nandresy lahatra ny Jiosy izy mba hino an’iJesoa Kristy. Tamin’ny alalan’ny teny avy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany no nentiny nandresy lahatra azy.

3-Nilaza ny anton’ny tsy finoan’ny Jiosy sasany i Paoly ( and24-31 )

Nizara roa ny olona nihaino an’i Paoly , ny sasany nino , ny sasany tsy nino (and24) . Hazavainy amin’ny hevitra roa ny anton’ny tsy finoan’ny sasany . Efa nambaran’ny Fanahy Masina , fa izany mihitsy ireo olona ireo , tsy mety mino na inona na inona no atao (and25-27) . Nambarany koa fa ny mba hitodihan’ny famonjena mankany amin’ny Jentilisa no antony (and28) . Tsy misy mahasakana ny fitoriana ny Filazantsara na dia ny tsy finoan’ny olona aza ( and 31).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8