Ary hoy Jehovah: « Mitsangana, hosory izy, fa io no izy » (and 12b)

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Aogositra 2024

1 Samoela 16, 4-13

1 Samoela 16, 4-13
4 Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao? 5 Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra. 6 Ary nony tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity eto anatrehany. 7 Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 8 Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah. 9 Ary Jese dia nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah. 10 Ary Jese nampandalo fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese: Tsy nofidin'i Jehovah ireto. 11 Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto. 12 Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo* izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.[Na: tendron-tava] 13 Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.

Ary hoy Jehovah: « Mitsangana, hosory izy, fa io no izy » (and 12b)

Davida, olom-boahosotra.

1-Araka ny toromariky ny Tompo

« Ary Samoela nanao izay nolazain’i Jehovah » (and 4)

Nanome baiko an’i Samoela ny Tompo. Iraka ho fanosorana mpanjaka no nomeny. Isan’ny toromarika amin’izany ny fanamasinana ny tena ho an’izay hiara-dalana hanatanteraka ny baiko. Tsarovy fa ny Tompo mihitsy no tompomarika amin’ny fanosorana ny mpanompony. Ny mpanatanteraka ny baiko dia fitaovana ihany. Atao am-pahamalinana sy am-pitandremana izany fanosorana izany.

2- Voafidy tao anatin’ny maro

« Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ny rahalahiny » (and13a)

Na teo aza ireo rahalahin’i Davida miisa fito dia tsy nisy tamin’izy ireo no voafidy manokana mba handray hosotra. Davida ilay mpiandry ondry, mpanetry tena no niantefan’ny safidy. Tsy mijery ivelany tokoa ny Tompo rehefa mifidy ny mpanompony. Tsy tahaka ny fanaon’izao tontolo izao, variana amin’ny endrika amam-bika sy ny hita maso.

3-Nilatsahan’ny Fanahin’ny Tompo

« Ary ny fanahin’i Jehovah dia nilatsaka tamin’i Davida hatramin’iny andro iny » (and13d).

Mandatsaka ny Fanahiny amin’ny olom-boahosotra ny Tompo. Ilay Fanahin’ny fahendrena, mpanolo-tsaina, mpitari-dalana. Nitarika an’i Davida ho amin’ny fahombiazana tanteraka izany Fanahin’i Jehovah izany. Santarin’i Davida amin’ny fiatrehana sy fandresena an’i Goliata mbamin’ny Filistina ny maha olom-boahosotra azy.

Fanontaniana

Inona avy no mampiavaka ireo olom-boahosotra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe