Arovan’ny Tompo amin’ny gejan’ny lalana ny olony

Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Jona 2024

Matio 12.1-8

Matio 12.1-8
1 Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana. 2 Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata. 3 Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, 4 Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? 5 Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny? 6 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. 7 Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. 8 Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.

Arovan’ny Tompo amin’ny gejan’ny lalana ny olony

Amin’ny maha olombelona, dia noana ny mpianatra ka dia nioty salohim-bary tamin’ny andro sabata izy ireo. Voararan’ny lalana izany, ary fandraràna mafy tokoa satria mafy ny fitandremana ny sabata jiosy tamin’izany. Betsaka ny jiosy no nahatsiaro navesatra tamin’ny ziogan’ny lalana. Teto dia tratran’ny fariseo izay milaza azy ho mpivavaka be ny mpianatra. Avy hatrany dia nijoro Jesoa niady sy niaro ny mpianany satria tsy mety amin’i Jesoa raha ny mpianany no ampitondraina fahoriana amin’ny fitandremana ity lalana tsy misy indrafo ity, Izy rahateo tonga mba hitondra fahafahana ny olony amin’izany zava-mangeja izany.

Ry havana, mbola misy taranaky ny fariseo ara-panahy, tsy mba mpamindra fo mihintsy amin’izao fotoana izao, mampizioga ny olona amin’ny lalana, tsy mba manana fitiavana fa mikendry ny fampiharana ny lalana ho fanapotehana ny namany. Nefa amin’izany izy ireo, dia hita sy miseho mihintsy ho olon-kendry indrindra sy mpivavaka be aok’izany. Soa ihany fa eo Jesoa antenaina mba hamonjy amin’ireny. Hoy ny 1 Kor 13.3: « ary na dia omeko ho an’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mba mahasoa ahy akory izany« .

Ny famindram-po no sitraky ny Tompo ry havana, ary raha sendra tojo sarotra noho ny afitsoky ny lalana isika dia aza matahotra fa ao Jesoa miady ho antsika.

Fanontaniana

Efa nisy fotoana ve ianao mba niandry ny namanao ho solafaka mba hotatazan’ny lalan’ny fanjakana na ny lalàn’ny Fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe