Araraoty ny fotoana omen’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 24 Janoary 2023
MPITORITENY 12.1-7
MPITORITENY 12.1-7
1 Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao; 2 dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana; 3 fa amin'izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely, 4 ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely*, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;[ Na: ka tsy mafy noho ny an'ny voron-kely aza ny feony] 5 ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony* fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe [Na: hitsaha-panirian-javatra izy] 6 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano, 7 ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.Araraoty ny fotoana omen’Andriamanitra
Fampianarana goavana asongadin’ny mpitoriteny ny hoe : zava-poana sy mandalo ny zava-drehetra; araka izany dia tsy tokony holanilaniana foana .
1-Araraoty hahatsiarovana an’Andriamanitra
Resahana manokana eto ny hoe: « andro fahatanoranao« .Mazana tokoa mantsy ao anatin’ny vanim-potoana io dia variana ny amin’izao fiainana izao sy ny filany ny ankamaroan’ny olona ka manara-po amin’ny fahafinaretana mandalo samihafa , izay manimba ny fiainany ihany avy eo .Adinon’ny tanora maro fa avy amin’Andriamanitra io fahatanorany izay oharin’ny Soratra masina eto io amin’ny andron’ny « masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana » .Ny olona mahatsiaro an’Andriamanitra mantsy tsy manaram-po amin’ny sitrapon’ny tenany .
2-Araraoty hikolokoloana ny fiainam-panahy
Raha avy ny andro ka miverina amin’ny tany ho toy ny teo »ny nofo aman-dran’ny olombelona ,« ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome iny ». Koa io fanahy tsy maty sy tsy levona io no tokony hokolokoloina fatratra mihoatra ny fikolokoloana ny endrika amam-bika izay andanian’ny olona sasany ny fotoana betsaka eo amin’ny fiainany tokoa. Araka ny ambaran’ny Soratra Masina ,izay hahafahantsika mikolokolo ny fiainam-panahy dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra irery ihany ka hahafantarana izay sitrapony sy hahazoana hery hanatanterahana izany amim-pitiavana .
Fanontaniana :
Inona avy no mahavariana ny olona ankehitriny ka mandanilany foana ny fotoanany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM