Araka ny hevitrao, inona no zavatra betsaka tian’ny olona hananana ?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Martsa 2021
2 Korintiana 8,7 - 15
7 Fa araka ny itomboanareo amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin'izao fahasoavana izao. 8 Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon'ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan'ny fitiavanareo koa. 9 Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony. 10 Ary dia ambarako izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry ny taon-itsy. 11 Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo. 12 Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany. 13 Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin'ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany, 14 fa ny mba hisy fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny alahelon'ireo, ary ny haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana, 15 araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy (Eks. 16. 18).

Ity salamo ity dia milaza ny « sisa » nefa mbola ampahoriana hatrany satria ny ratsy fanahy no mitazona ny fahefana ary manozongozona ny fitondrana rehetra misy na fanjakana na fivavahana. Manoloana izany dia hoy ny mpino hoe:

1- NY TOMPO ANDRIAMANITRA NO FIALOFANA:

Enjehina ny mpino, atao tahaka ny vorona hazain’ny mpihaza ary asaina mitsoaka any an-tendrombohitra hanaovana izany fanenjehana izany.        Ny mpanao salamo anefa dia sahy mijoro ka miteny hoe nahoana no mitsoaka ny olona matoky an’Andriamanitra? Ny mpino dia mijery ambony noho ny tendrombohitra, izany hoe an’ Andriamanitra ka matoky Azy  tanteraka ary mametraka ny adiny Aminy ka mino fa manana hery afaka hanampy azy ny Tompony, noho izany dia tsy hatahotra na inona na inona  mihitsy izy. Ny toe-javatra niainan’i Davida mpanjaka dia maneho izany toe-javatra voalaza izany ho azo tanterahina tokoa manoloana ny ady atrehiny.

2- ANDRIAMANITRA MARINA DIA MITSARA NY OLONA :

Ambara hoe mizaha toetra ny olona ny Tompo na iza izy na iza. Izay tiana holazaina amin’ilay hoe Andriamanitra mizaha toetra dia Andriamanitra mamantatra izay zava-misy ao am-pon’ny olona na tsara izany na ratsy ary valiany araka izay zava-misy ao aminy izany ny olona, ny manao ny tsara dia hiaina araka izany miaraka Aminy fa ny ratsy kosa ho halan’ny fanahiny , afo sy solifara  ary rivo-mahamay no anjara kapoakany, izany hoe hahazo azy ny famotehana sy fandravana noho ny ratsy nataony. Ny finoana kristiana dia tokony handresy ny zava-dratsy rehetra mba ho mendrika an’Andriamanitra tokoa ka hahatanteraka ny Tenin’ny Tompo hoe   » tsy misy mahay mandrombaka izay eo amin’ny tànan’ny Ray« 

FANONTANIANA:

Ahoana ny fahazoanao izany hoe  » mialoka amin’Andriamanitra  » mbola azo atao ve izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM