Aoreno ao amin’i Jesoa ny finoanao
Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Martsa 2024
Jaona 3.31-36
Jaona 3.31-36
31 Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny et? an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; 32 koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. 33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. 34 Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. 35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany. 36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.Aoreno ao amin’i Jesoa ny finoanao
1. Aza miala amin’ny fanambarany (and.31-34)
Ilay avy any ambony no ambara eto fa azo antoka ny fanambarany. Fa izay avy amin’ny tany dia ny momba ny ety an-tany ihany no ambarany. Ilay ratsy dia mampifikitra antsika amin’ny zava-tsoan’ny tany ka tsy mamela antsika hitraka hibanjina sy ho tody amin’ny fiainan-danitra. Aoka isika handray izay ambaran’ny irak’Andriamanitra satria ireny no milaza ny Teniny (and.34). Mandrombaka antsika izao tontolo izao kanefa tsy mahafoy antsika ny Tompo ka maniraka ny irany. Koa aoka hanova fihaino isika mańomboka anio (vakio Mar. 9.7)
2. Aza mba ho isan’ny tsy mino (and.35-36)
Jereo ny fanambaran’i Jaona eto fa ny tsy finoana dia toy ny mandà ny Zanaka, na tsy mankatò Azy. Ny finoana Azy no hery mitarika antsika ho amin’ny fananana fiainana mandrakizay satria tsy mamela antsika hanao izay tiantsika, izay mahatonga antsika handeha amin’ny danin’ny saintsika fotsiny, fa manitsy ny lalana mba hidirantsika amin’ilay lalam-pamonjena. Hoy i Paoly « Fa Kristy no faran’ny lalana ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino. » (Rom. 10.4) Koa aza mba ho isan’ireo izay tsy mino re !
Fanontaniana :
Inona avy re no antony mampihozongozona ny finoan’ny olona ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe