Aoka isika hidera an’i Jehovah…
Mofonaina anio: Talata, faha 14 Janoary 2025
Sal 100.1-5/HF 7/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 12
Salamo 95. 1-5
1 [Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika. 2 Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika. 3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy. 4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo. 5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.Aoka isika hidera an’i Jehovah…
Miantso sy mitaona antsika hidera an’Andriamanitra ny mpanao Salamo. Ireto misy antony manosika ny mpino hanao izany:
1- Vatolampy famonjena antsika Izy (and.1)
Ny vatolampy dia sady fiarovana no fialofana. Fomba iray nentin’ny olona niaro tena tamin’ny fahavalony ny miery any amin’ny zohy sy ny lava-bato, ary na teto Madagasikara aza dia nanao izany ny mponina tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahan- tany. Fa amin’ny lafiny faharoa koa dia fialofana ny vatolampy: na amin’ny danik’andro mahamay, na koa amin’ny ora-mikija. Izany sary izany no entin’ny mpanao Salamo milaza fa Andriamanitra no tena mpiaro azo antoka indrindra ho antsika. Noho ny fitiavany antsika dia nahafoy ny Zanany malalany ho famonjena antsika Izy. Fialofana mamelombelona ny fanahintsika Izy mba hananantsika fiainana mandrakizay. Vaovao mahafaly ho antsika izany, koa aoka hidera Azy isika!
2- Andriamanitra lehibe Jehovah (and.3-5)
Eto kosa dia ny fahalehibeazan’ Andriamanitra no asongadina kokoa. Mpanjaka lehibe mihoatra lavitra noho ireo izay heverin’ny Jentilisa ho andriamanitra Izy (and.3). Izy no Tompon’izao rehetra izao; Izy no Tompon’ny fahefana mifehy sy manapaka ny zavatra rehetra hatrany amin’ny fanambanin’ny ranomasina, ka hatreny amin’ny tendrombohitra avo (and.4). Izy no nanao ny tany sy ny ranomasina midadasika. Ambonin’izany rehetra izany ny halehiben’ny fitiavany antsika, ka namelany antsika hisitraka ny hatsaran’ny zavatra rehetra nohariany. Noho izany dia « Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny fihirana isika. » (and.2)
Fanontaniana:
Rehefa manao ahoana no midera.an’Andriamanitra isika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe