Aoka ho vonona isika rehetra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Novambra 2025
Sal 75,1-3 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.18
2 Petera 3,8 - 10
8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. 9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, 10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana]Sal 75,1-3 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.18
2Petera 3, 8-10
Ity Epistily ity dia manomana ny olona ny amin’ny fihavian’ny Tompo. Tena zavatra lehibe eo amin’ny fanompoan’ny tsirairay ny mahalala izay tsy maintsy hahatongavan’ny Mpamonjy indray. Aoka ho vonona isika rehetra fa:
1. An’ny Tompo ny fotoana (and.8)
Mampianatra tsara ny mino ny Soratra Masina eto fa aza disoina amin’ny fiheveran’ny olona ny fiheveran’ Andriamanitra. Manana ny fotoany Izy, ary tsy anjarantsika no mamaritra izany fa tena fahefany manokana lainan’ny Fiangonana sy ny olona ao amin’ny Fiangonana ny mandrefy ny asa ataony amin’ny fotoanany, heveriny fa izy no tena mandamina izany. Eto anefa mampianatra mazava ny Soratra Masina fa an’ny Tompo ny fotoana. Koa aoka ny asany no banjinina ary aoka hampiasaina ho amin’ny asany fa tsy holaniana fahatany ho amin’ny zavatra tsy mahasoa ny fotoana satria tsy antsika izany.
2. Ho avy tampoka ny Tompo (and.10)
Koa satria an’ny Tompo ny fotoana dia aoka ho tsaroantsika fa fampianarana efa nolazain’i Jesoa ny fiaviany tahaka ny mpangalatra. Lesona lehibe eo amin’ny fanompoantsika izany ka mahatonga antsika hibanjina kokoa ny mandrakizay fa tsy ny mandalo sy ho levona. Na ho tampoka aza anefa izany dia aoka hazava fa efa nampiomaniny ela isika tamin’ny alalan’ireo teny sy fampianarana, mba hampiorina sy hampibebaka antsika. Koa hevero izay tandrify fa manana ny fotoanany ny Tompo, tanteraho izay tsara ary aoka hanana teo-panahy araka an’Andriamanitra mba hisehoantsika ho vonona mandrakariva amin’ny fihaviany Tsarovy fa tampoka tahaka ny fihavian’ny mpangalatra ny androny. Noho izany dĂa hikendry hatrany ny voninahiny isika
Fanontaniana:
Ora firy isan’andro no hiheveranao an Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe