Aoka ho olona miavaka ianao
Mofonaina anio: Talata, faha 05 Novambra 2024
Salamo 40.1-10
Salamo 40.1-10
1 [Fisaorana noho ny famonjena efa azo sy fanolorana ny tena hankatò ny tenin'Andriamanitra, ary fangatahana ho amin'ny andro sisa] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. 2 Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. 3 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i Jehovah. 4 Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga. 5 Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina. 6 Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady* ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no nohadinao] 7 Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy. 8 Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko. 9 Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala. 10 Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.Aoka ho olona miavaka ianao
1. Ka Jehovah no ho tokinao:
Ny and.1 dia misy ny teny hoe niandry dia niandry an’i Jehovah. Izay milaza fa Jehovah no hany toky andrasan’i Davida. Ary noho izany fahatokiny Azy izany dia nisitraka zavatra maro izy. Nanomboka nitodika nijery azy Andriamanitra ka nandray an-tanana ny aminy; navotany tao amin’ny fandringanana dia natsangany ho mafy orina ary avy eo tonga vavolombelon’ny fitahian’ Andriamanitra ka nahatonga ny manodidina azy hatahotra sy hitoky ihany koa amin’i Jehovah. Ny zanako sy ny asan’ny tanako hoy Izy dia adidiko ihany. Ary izay miantso sy mitady Azy marina amin’ny fo dia tsy ho very toky araka izay nataony tamin’i Davida. Vakio anie ny Malakia 3.18 e!
2. Ka izay sitrak’i Jehovah no ataovy:
Davida dia sahy nanambara izany tamin’Andriamanitra (and.8). Zavatra tokony himasoan’ny mino ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra satria izay no antom-pahavelomana sy fisiantsika. Eny na i Jesoa aza dia nanambara izany. Rahalahiny sy anabaviny ary reniny izay manao izany (Mat 12.50) ary ny hanatanteraka izany no antony nidinany tety an-tany (Jao 6.38). ary izay lehibe indrindra ka tokony halaintsika tahaka dia izay nataon’i Jesoa ka nankatoavany izany hatramin’ny fahafatesana (vakio Heb 10.9- 16)
Fanontaniana:
Inona ireo toetra hiazakazahan’ny mpino ankehitriny heveriny ho toetra miavaka?
Sampana Sekoly Alahady Foibe