Aoka hanahaka an’i Kristy isika

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Janoary 2021

FILIPIANA 2.5-11

FILIPIANA 2.5-11
5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, 6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, 7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 9 Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, 10 mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny et? an-tany, na ny any ambanin'ny tany, 11 sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

Aoka hanahaka an’i Kristy isika

Mitaona antsika ny Soratra Masina mba hanana fitondrantena mendrika . Kristy no ohatra alain-tahaka amin’izany .

1-Mahaiza manetry tena

Kristy dia nanana feno ny toetran’Andriamanitra nanana ny hajany sy ny voninahiny amin’ny maha-Andriamanitra Azy Izy . Tena Andriamanitra Izy talohan’ny nahatongavany ho nofo , fony tsy mbola ary izao tontolo izao (Jao 17.5). Nataony tsinontsinona izany fahamboniany izany , ka naka ny toetran’ny mpanompo Izy , nanaiky an-tsitrapo ho toy ny andevo Izany fanetrentenany izany dia nandritra ny fotoana rehetra izay nanatanterahany ny asa nanirahan’ny Ray Azy , nanomboka hatramin’ny nahaterahany ka hatramin’ny fanekeny ho faty teo amin’ny hazo fijaliana , fahafatesana izay tena mahatsiravina indrindra . Ity fampianarana ity dia mitaona antsika mba tsy ho tia sehoseho na tia hoderaina amin’izay heverina fa fahambonian’ny tena . Aretina mpahazo ny maro io , na dia eo amin’ny sehatry ny fanompoana aza .

2-Andriamanitra no aoka hanandratra antsika

Tsy nanandra-tena akory i Kristy fa Andriamanitra no nanandratra Azy sy nanome Azy Anarana izay ambony noho ny anarana rehetra (and9). Tsy misy olona tsy maniry ny hisandratra sy ho ambony ary izany no mahatonga ny olona sasany hanambony tena sy hiavonavona . Ny fanekena an-tsitrapo hitondra ny hazo fijaliana noho ny fanarahana an’i Kristy no làlana tokana hanandratan’ Andriamanitra antsika ho any amin’ny fanjakany mandrakizay . Mariho fa arakaraka ny halalin’ny fanetrentena nananan’i Kristy no haavon’ny fisandratany . Ny fanetrentena no fanalahidin’ny fisandratany . « Fa izay rehetra manandra-tena no haetry ary izay manetry tena no hasandratra »

Fanontaniana :

Mitovy ny ny manetry tena sy ny manambany tena ? Hazavao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM