Antso ho amin’ny fibebahana ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Martsa 2025

Sal 67. 1-7/Hira 295: 1/ Mofonaina/Vavaka

Apokalypsy 2. 12-17
12 [Pergamosy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Pergamosy: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: [* Gr. eklesia] 13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana. 14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga. 15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny. 16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako. 17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [* Gr. eklesia]

Antso ho amin’ny fibebahana ny Tompo

Rehefa tsy nahomby tamin’ny fiezahany hampisaraka ny Zanak’ Isiraely tamin’i Jehovah i Balama, dia notoroany hevitra ny Moabita hanao izay hampiala ny Zanak’ Isiraely tamin’ Andriamanitra sy nitaona azy hijangajanga, sady hiankohoka amin’izay andriamani-tsy izy. Naka fanahy ny Isiraely hampifangaro ny finoany tamin’ny fanompoan-tsampy. Antso miantefa amin’ny kristiana tao Pergamosy mba tsy hanarahan’izy ireo ny fampianarana sandoka ka mamily azy ho amin’ny fahatafintohinana. Mampahatsiahy izany ny mpanoratra amin’izao Soratra Masina izao.

Amin’izao antso ho amin’ny fibebahana izao, tsy ho an’ny kristiana tao Pergamosy ihany, fa ho antsika mpanara-dia an’i Jesoa kristy. Aza manaraka fampianarana sandoka, izay mamily ny finoana. Tano mafy izay anananao, miorena, aza miova.

« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana »

Tsy maintsy mihaino tsara ireo fampitandremana ataon’ny Fanahy Masina ny mpino, indrindra amin’izao andro iainantsika izao. Tahaka izay nambaran’i Kristy tamin’ny Fiangonana fito tany Azia, no mbola hitohizan’ny Fanahy Masina amintsika. Mba hananantsika fibebahana marina. Aoka hahay hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina ka ho mpandresy dia homena ilay mana miafina sy vato fotsy iray misy anarana vaovao eo aminy (2.17)

Fanontaniana:

Sarobidy ny fihainoana, manaiky izany ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe