Anorenana ny maha Kristiana ny finoana

Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Jona 2021

Matio 23. 1 - 12

Matio 23. 1 - 12
1 Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe: 2 Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; 3 koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. 4 Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa. 5 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny. 6 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga 7 sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô! 8 Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. 9 Ary aza milaza olona et? an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. 10 Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. 11 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. 12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.

Anorenana ny maha Kristiana ny finoana

1- Mihainoa Azy

Nanafatra Jesoa eto amin’ny Perikopa ity fa Fariseo sy ny mpanora-dalàna dia mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy. Inona no hevitr’izany? Ireo no mpampita ny Tenin’Andriamanitra satria ireo no notolorana izany. Tamin’izany dia bokin’i Mosesy no nanambarana ny bokin’ny lalàna. Milaza izany Jesoa satria I Jesoa dia tsy nandrava ny lalàna na ny bokin’ny lalàna fa tonga hanatanteraka izay voalazan’ny bokin’ny lalàna. « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka » (Mat. 5.17). Koa raha mahita ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia tokony hijery azy amin’ny amin’ny maha mpitondra ny Tenin’Andriamanitra azy. Isika mantsy rehefa misy mpitory Filazantsara dia ny olona no jerentsika fa tsy Filazantsara hotoriny.

2- Aza maka tahaka izay ratsy fanaony

Hoy ny voasoratra : « Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra« . (3 Jao. 11). Na dia nanana sy nahay ny lalàna aza ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, dia nananatra mafy ny mpianany I Jesoa mba tsy hanao araka ny asany. Satria tsy izay notoriany sy nampianarin’izy ireo no ratsy fa izay fanaony. Nataony fisehoana ivelany fotsiny ny fahaizana ny Tenin’Andriamanitra. Tia fitoerana eny aloha na anaty fasana anaty synagoga; tiany arahabaina amin’ny fiarahabana miavaka sns. Fanetren-tena no tadiavin’ny Tompo amintsika. Ny finoantsika an’I Jesoa no mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Rehefa tonga zanak’Andriamanitra isika dia ny fankatoavana Azy no tokony hataontsika masaka an-doha mba hananantsika fanetren-tena fa tsy hanao mpitari-bato vilam-bava.

Fanontaniana:

Mahay mihaino sy manara-dia ny Filazantsara ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM