Anorenana ny maha Kristiana ny finoana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 26 Jona 2021

1 Petera 2. 1- 7

1 Petera 2. 1- 7
1 Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra, 2 fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena, 3 raha tàhiny "nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;" 4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa," 5 ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 6 Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa. 28.16). 7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22),

Anorenana ny maha Kristiana ny finoana

1- Esory ny lolompo rehetra :

Ny lolompo dia tsy inona fa alahelo anaty izay mikotrika valifaty amin’olona iray. Ny olona manana lolompo dia tonga maloto fo ka mamela ilay ratsy hanana anjara toerana ao amin’ny fony. « Ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan- tsy to; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah« . (Zak 8.17)

2- Esory… ny fihatsarambelatsihy :

Ny fihetsikao ety ivelany dia tokony ho taratry ny ao anaty. Madio ivelany tahaka ny fasana ny olona mihatsaravelatsihy. Jesoa dia efa nananatra mafy ny amin’izany : « dia tahaka izany koa ianareo : raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna« (Mat 23 : 28). Fa ny Tompo dia mijery ny fontsika tsirairay avy.

3- Esory… ny fialonana :

Toetra efa zary raiki-tampisaka amin’ny maro »ory hava- manana »: Raha tafita ny hafa dia lazaina ho mpangalatra na nisoloky. Miteraka faminganana ny hafa mihitsy ny fialonana. Tadidio fa fialonana no nanoloran’ny lohan’ny mpisorona an’i Jesoa  » Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohan’ny mpisorona Azy » (Mar. 15. 10)

4-Esory… ny fanaratsiana :

Ny fanaratsiana dia fiampangana ny manana amin’izay tsy nataony. Izay kendreny dia ny hahatonga ny olona tsy ho tia ka hankahala ilay namana noharatsiana. Tsy mendrika ny samy Kristiana izany, araka ny voalaza hoe: «  Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Dia izay manaratsy ny rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao,dia tsy mpankato ny lalàna, fa mpitsara » (Jak. 4 .11) .

Fotoan-dehibe amintsika ny fetim-pirenena, koa aoka hiova toe-tsaina isika ho mariky ny finoantsika an’i Jesoa izay tsy manavaka antsika fa nitia antsika tao anaty fahalementsika.

Fanontaniana:

Inona no toetra tsara azo alain-tahaka avy aminao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM