Anorenana ny maha Kristiana ny finoana
Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Jona 2021
2 Mpanjaka 22. 11 - 20
2 Mpanjaka 22. 11 - 20
11 Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy. 12 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe: 13 Mandehana ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika. 14 Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo. 15 Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho at? amiko hoe: 16 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda. 17 Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana. 18 Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay novakinao, 19 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah. 20 Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.Anorenana ny maha Kristiana ny finoana
1- Aza atakalo zavatra hafa Andriamanitra :
Vokatry ny fahafoizan’ny mpanjaka ny lalàn’I Jehovah ka nanaovany izay tsy mety, dia ny fanompoan-tsampy dia tezitra Andriamanitra ka nampisy loza teo amin’ny firenena ( vakio ny and.16 sy 17). Nomen’izy ireo ny andriamanitra tsy izy ny dintin-kazo manitra. Voninahitra tokony ho an’i Jehovah.
Mazava fa izay mahafoy sy manakalo an’Andriamanitra amin’ny zava-poana sy sampy samihafa dia haringany. « Fa, indro, very izay lavitra anao, aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy anao » (Sal. 73. 27). Koa tsy sitrak’Andriamanitra ny hahavery sy hijalianao. Koa aoka hivavaka sy hibebaka ary hiverina Aminy mba hialan’izao loza mianjady eo amin’ny fiainantsika izao.
2- Aza manao ny ratsy nataon’ny teo aloha :
Josia mpanjaka kosa araka ny hita eto dia nanapa-kevitra manoloana ny bokin’ny lalàna izay novakiana. Notriariny ny fitafiany, izay midika alahelo lehibe ny amin’izay hanjo ny firenena. Midika fanetren-tena lalina ihany koa izany eo anoloan’ny Tenin’Andriamanitra. Izany fihetsiny izany àry moa dia nadikan’Andriamanitra hoe: » Nino anatra sy nanetry tena « (and.18). Ny zava-dehibe dia ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra mihaino azy ary hamindra fo aminy. Fa raha isika izay mamaky izao Tenin’Andriamanitra izao fotsiny no mibebaka sy manetry tena eo anatrehan’ny Tompo dia hiala izao zava-dratsy mandrakotra ny firenena izao. (Vakio 1Pet.5. 6)
Fanontaniana:
Inona no anjara birikinao ho fanarenana ny firenena?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM