An’ny Tompo ny fandresena
Mofonaina anio: Talata, faha 27 Desambra 2022
2 MPANJAKA 19.1-7
2 MPANJAKA 19.1-7
1 [Ny amin'ny namonjena an'i Jerosalema, sy ny nandringanana ny miaramilan'i Sankeriba, mbamin'ny nahafatesan'ny tenany] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah, 2 Ary izy naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza. 3 Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy. 4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa. 5 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka. 6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy. 7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.An’ny Tompo ny fandresena
1-Mampandresy izay mialoka Aminy Izy
Tamin’ity fotoana ity dia Hezekia no mpanjakan’ny Joda .Ny Asyriana ,izay firenena matanjaka indrindra tamin’izany fotoana izany no fahavalon’ny firenena ka nampihorohoro fatratra sady nirehareha noho ny fananany hery ara-tafika .Fantatr’i Hezekia tsara ny halehiben’ny hery mifanandrina aminy ,saingy tsy nilavo lefona teo anatrehan’ny iraky ny mpanjakan’ny Asyria izy ,fa naleony nametraka ny fanantenany sy ny adiny tamin’Andriamanitra (and1-2).Fantany fa lehibe sy mahery lavitra ny Tompo Andriamanitra .Nanetry tena sy nivavaka tamin’ny Tompo ny mpanjaka Hezekia sy ireo akaiky azy.Nantsoiny hiaraka aminy koa ny mpaminany Isaia (and5).Anjarantsika fiangonana ny mivavaka mba hanomezan’Andriamanitra mpitondra sy manam-pahefana tahaka an’i Hezekia.
2-Izy no mandroaka ny fahavalo .
Nampitondra teny fampaherezana ho an’iHezekia ny mpaminany Isaia .Nambarany tamin’izany fa ny Tompo mihitsy no hiady sy handingana ny fahavalo . “Fa indro Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny , ary hahare siosio izy fa hiverina ho any amin’ny taniny ,dia hataoko lavo-tsabatra any amin’ny taniny izy” (and6-7).Rehefa mibebaka sy manakim-po tanteraka amin’Andriamanitra ny olona dia misava avokoa ny tahotra sy ny ahiahy rehetra ;foana ny loza mitatao izay saika nianjady. Fomba mahagaga tsy takatry ny saina no nentin’Andriamanitra nanafaka an’I Hezekia sy ny fanjakany teo am-pelatànan’ny Asyriana .Nandresy tsy niady izy ! Marina ny tenin’ny Tompo hoe: “Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina “ (Eks 14.14).
Fanontaniana :
Fotoana manao ahoana no tena ilana vavaka sy fifadian-kanina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM