ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Novambra 2016
ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
FILIPIANA 4.15-23
15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana* nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [* Gr. eklesia] 16 Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy. 17 Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. 18 Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahany. 19 Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy. 20 Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. 21 Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko. 22 Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan'i Kaisara. 23 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
FILIPIANA 4.15-23
Ny olona manao ny asan’Andriamanitra
1-Mahay mankasitraka :
2-Mahazo ny fahasoavan’ Andriamanitra
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM