ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Novambra 2016
ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
JOBA 42.7-10
7 Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy. 8 Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy. 9 Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba. 10 Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
JOBA 42.7-10
Ny olona mahazo sitraka amin’ny Tompo
1-Afaka mifona ho an’ny hafa izy
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM