ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Novambra 2016
ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
GENESISY 4.1-5
1 [Ny amin'i Kaina sy Abela] Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho. 2 Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany. 3 Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah; 4 fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny; 5 fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
GENESISY 4.1-5
Ny fanatitra ankasitrahana
1-Ny fanatitra atolotra ho an’ Andriamanitra
2-Ny fanatitra mendrika indrindra
Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao
Fanontaniana: