ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’ NY MINO
Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Novambra 2016
ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN' NY MINO
1 TIMOTY 5.1-8
1 [Ny amin'ny fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, 2 ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra. 3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa. 4 Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina 6 Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony. 7 Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny. 8 Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’ NY MINO
1 TIMOTY 5.1-8
Ny Fiombonam-piainan’ny mpino
1-Ankohonana iray
na iza na iza no manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko »
2-Mifanohana
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM