ANKASITRAHAN’ NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Novambra 2016

ANKASITRAHAN' NY TOMPO NY ASAN'NY MINO

MARKA  4.15-23
15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. 16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana; 17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, 19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. 20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. 21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina* va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?[*Gr. avy] 22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho. 23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

ANKASITRAHAN’ NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

MARKA  4.15-23

Ny mino ankasitrahan’ Andriamanitra

1-Mandray  ny Tenin’ Andriamanitra

2-Miaina  marina  amin’ny Tenin’ Andriamanitra

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM